Colossians 1:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sady Izy no hampihavanany Aminy ny zavatra rehetra ka ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana; eny, Izy hoy aho, no fampihavanana, na ny etỳ ambonin’ny tany, na ny any an-danitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary ny ra nafoiny teo amin’ny hazofijaliana no nanaovan’Andriamanitra fampihavanana, ka dia tamin’ny alalany no sitrak’Andriamanitra hampihavanana amin’Izy Ray ny zavatra rehetra na ny eto an-tany na ny any an-danitra.
Malagasy Bible 1865
sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sady Izy no hampihavanany Aminy ny zavatra rehetra ka ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana; eny, Izy hoy aho, no fampihavanana, na ny etỳ ambonin’ny tany, na ny any an-danitra.
malagasy