Colossians 1:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho ary manatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny fiangonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny Tenany, dia ny Eglizy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny aho dia mifaly amin’ny fijaliana iaretako noho ny aminareo, satria miferinaina ara-batana aho ka mameno izay tsy ampy tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, izany hoe ho an’ny Fiangonana.
Malagasy Bible 1865
Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho ary manatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny fahorian’i Kristy* ho an’ny tenany, dia ny fiangonana.
malagasy
Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana, [ Gr. eklesia]