Colossians 1:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ireo olona masina ireo no tian’Andriamanitra nampahafantarina ny harenan’ny voninahitr’ity zavamiafina ity any amin’ny Jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, izay fanantenana ny voninahitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vahoakany tokoa no nirin’Andriamanitra hampahafantarina ny maha sarobidy sy maha be voninahitra izany tsiambaratelo anasoavana ny firenena rehetra izany, dia intỳ: ao anatinareo i Kristy, antoky ny voninahitra homena anareo.
Malagasy Bible 1865
izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ireo olona masina ireo no tian’Andriamanitra nampahafantarina ny harenan’ny voninahitr’ity zavamiafina ity any amin’ny Jentilisa*, dia Kristy ao anatinareo, izay fanantenana ny voninahitra.
malagasy
izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;