Colossians 1:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
noho ny fanantenana izay tahirizina any an-danitra ho anareo, fanantenana efa renareo fahiny tamin’ny tenin’ny fahamarinana dia ny Filazantsara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra, araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mby teo aminareo ny Vaovao Mahafaly, ary ny hafatra marina raketiny no nandrenesanareo ny zavatra antenaina izay voatahiry ho anareo any an-danitra. Ka ny finoanareo sy ny fitiavanareo dia vokatr’izany fanantenana izany.
Malagasy Bible 1865
noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
noho ny fanantenana izay tahirizina any an-danitra ho anareo, fanantenana efa renareo fahiny tamin’ny tenin’ny fahamarinana dia ny Filazantsara.
malagasy
noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,