Colossians 1:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany, izahay koa dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo hatramin’ny andro nandrenesanay, mba hofenoina ny fahalalana ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa hatramin’ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no tsy itsaharanay mivavaka ho anareo, hatramin’ny andro nandrenesanay ny aminareo. Mangataka amin’Andriamanitra izahay mba ho feno fahalalana tsara ny sitrapony ianareo, ka homena ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy Masina.
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany, izahay koa dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo hatramin’ny andro nandrenesanay, mba hofenoina ny fahalalana ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy,
malagasy
[Fivavahan'i Paoly ho an'ny Kolosiana, sy filazana ny fahalehibiazan'ny voninahitr'i Kristy] Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,