Colossians 2:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
noreseny ny fiandrianana sy ny fahefana ary nasehony miharihary ny fitondrany ireo amin’ny fandresen’ny hazofijaliana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary naongany ny fifehezana sy ny fahefana, sady nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona ka nampombainy ny mpandresy tao amin’ny Hazofijaliana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ny hazofijaliana no nandravan’i Kristy ny herin’ny fanapahana sy fahefana; dia nataony babo ireo ka nanjohy ny matsom-pandreseny ary nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona.
Malagasy Bible 1865
ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
noreseny ny fiandrianana sy ny fahefana ary nasehony miharihary ny fitondrany ireo amin’ny fandresen’ny hazofijaliana.
malagasy
ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy. [ Na: noreseny ka nobaboiny]