Colossians 2:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mety hofitahin’ny olona amin’ny fanetren-tena diso sy ny fivavahana amin’ny anjely ianareo; mitompo amin’ny zavatra hitany izy ireny sady feno fiavonavonana noho ny fisainany ara-nofo
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ianareo tsy ho voasakan’olona tsy hahazo ny lokan’ady, amin’ny fitaomana anareo ho amin’ny fanetren-tena tsy izy, sy amin’ny fanompoana ny Anjely, dia olona mitompo amin’ny zavatra hitany, hono, sady feno fiavonavonana erỳ ao amin’ny fisainany manaraka ny nofo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka tsy hisy olona hisakana anareo tsy hahazo ny amboara, ka hitaona anareo hanana fanetrentena haitraitra sy hivavaka amin’ny anjely. Manindrahindra ny fahitana azony ry zareo ka mieboebo tsy amin’antony, noho ny fisainany baikoin’ny maha olombelona azy.
Malagasy Bible 1865
Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mety hofitahin’ny olona amin’ny fanetren-tena diso sy ny fivavahana amin’ny anjely ianareo; mitompo amin’ny zavatra hitany izy ireny sady feno fiavonavonana noho ny fisainany ara-nofo
malagasy
Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [ Na: (tsy)]