Colossians 2:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka tsy mihazona ny loha izay Izy no itomboan’ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ny vanin-taolana sy ny hozatra, araka ny fampitomboana izay avy amin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nefa olona tsy mikambana amin’ny Loha, Izay iveloman’ny tena manontolo, sy iraisany tsara amin’ny hozatra amam-pamavàny, ka ahazoany ny fitomboana tian’Andriamanitra homena azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mifikitra amin’i Kristy Izay loha izy ireo, kanefa i Kristy no mamelona ny tena manontolo sady mampiray azy amin’ny alalan’ny hozatra amam-pamavàny ka mampitombo azy araka ny fitomboana sitrak’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka tsy mihazona ny loha izay Izy no itomboan’ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ny vanin-taolana sy ny hozatra, araka ny fampitomboana izay avy amin’Andriamanitra.
malagasy
ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra.