Colossians 2:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha niara-maty tamin’i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’izao tontolo izao ihany ka mety hodidiana hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha niara-maty tamin’i Kristy ny amin’ireny abidim-pianaran’izao tontolo izao ireny àry ianareo, nahoana no hoatra ny mbola velona amin’izao tontolo izao ihany, ka mety hodidiana foana hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niara-maty tamin’i Kristy ianareo sady afaka tamin’ny herin-javatra mangeja an’ izao tontolo izao. Koa nahoana ianareo no miaina toy ny mbola voafehin’izao tontolo izao? Ary nahoana ianareo no mety hoteren’olona amin’ny fitsipika toy ny hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha niara-maty tamin’i Kristy* ianareo ka efa afaka tamin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’izao tontolo izao ihany ka mety hodidiana hoe:
malagasy
Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe: