Colossians 2:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana noterena sy ny fanetren-tena diso ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery hahasakana ny fampanaranam-po ny nofo akory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sady toa misy fahendrena no fijery azy, raha araka izato fombam-panompoana noforoniny, sy izato fanetrena amam-panivàna ny tena asehony, kanjo tsy misy na inona na inona akory, fa fampanaranana ny nofo foana no tadiavina aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miseho ho fahendrena ireny didy sy fampianarana ireny satria hoe fivavahana vokatry ny finiavana ka ietren-tena manoloana ny anjely sy amolahana mafy ny vatana; kanefa tsy misy heriny akory hahasakana ny fanaranan’ny maha olona mpanota.
Malagasy Bible 1865
Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana noterena sy ny fanetren-tena diso ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery hahasakana ny fampanaranam-po ny nofo akory.
malagasy
Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.