Colossians 3:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natsangana ho velona niaraka tamin’i Kristy ianareo. Noho izany, katsaho ny zavatra any ambony, any amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
malagasy
[Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara] Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra.