Colossians 3:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa amin’izany dia tsy misy Grika sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na Barbariana sy Skitiana, na andevo sy olona afaka, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa amin’izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.
Malagasy Bible 1865
Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa amin’izany dia tsy misy Grika sy Jiosy*, na voafora sy tsy voafora, na Barbariana sy Skitiana, na andevo sy olona afaka, fa Kristy* no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra.
malagasy
Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [ Gr. Grika]