Colossians 3:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olomboafidin’Andriamanitra sy voatokany ho Azy ianareo sady efa notiaviny. Noho izany, aoka ianareo hitafy hatsaram-po sy fiantrana, hamoram-po sy fanetrentena, fahalemem-panahy sy fahari-po.
Malagasy Bible 1865
Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala.
malagasy
Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.