Colossians 3:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo, ka hifampianatra sy hifananatra amim-pahendrena tanteraka ianareo; noho ny fahasoavana manenika anareo, dia mihirà amin’ny fonareo tokoa ho an’Andriamanitra ka mikaloa salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina.
Malagasy Bible 1865
Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.
malagasy