Colossians 4:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manao veloma anareo i Aristarko, mpiara-mifatotra amiko sy i Marka, havan’i Barnabasy; efa nomena toromarika momba azy ianareo ka raha tonga atỳ aminareo izy dia raiso.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manao veloma anareo i Aristarka, mpiara-mifatotra amiko, sy i Marka, zanak’anabavin’i Barnabe (efa nahazo didy ny amin’izany ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo).
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manao veloma anareo i Aristarka izay miara-voafonja amiko. Manao veloma anareo i Marka (zanak’olo-mpiray tampo izy sy i Barnabà); efa nahazo hafatrafatra momba an’i Marka ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo.
Malagasy Bible 1865
Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manao veloma anareo i Aristarko, mpiara-mifatotra amiko sy i Marka, havan’i Barnabasy; efa nomena toromarika momba azy ianareo ka raha tonga atỳ aminareo izy dia raiso.
malagasy
Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),