Colossians 4:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raiso toa izany koa i Jesosy, izay antsoina hoe Josto. Avy amin’ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manao veloma anareo koa i Jesoa ilay atao hoe Jostosy: izy telo lahy ireo no hany voafora amin’izay miara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra; nanafaka alahelo ahy fatratra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manao veloma anareo koa i Jesoa, ilay atao hoe Josta. Izy telo lahy ireo no Jiosy tonga kristianina izay miara-miasa amiko hampandroso ny Fanjakàn’Andriamanitra, ka nanjary fampaherezana ho ahy tokoa.
Malagasy Bible 1865
ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raiso toa izany koa i Jesosy, izay antsoina hoe Josto. Avy amin’ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
malagasy
ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.