Colossians 4:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manao veloma anareo i Epafra, ilay avy aminareo sady mpanompon’i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo, mba hijoro amin’ny fahafenoana ianareo sady hahatanteraka izay rehetra sitrapon’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manao veloma anareo i Epafrasy, mpanompon’i Kristy, avy atỳ aminareo; miady ho anareo mandrakariva izy amin’ny fivavahany, mba ho lavorary sy hatoky tsara ianareo ka hitoetra mafy amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manao veloma anareo i Epafrà, izay avy atỳ aminareo; io mpanompon’i Kristy Jesoa io dia mikely aina mandrakariva mivavaka ho anareo, mba hijoroanareo ho olona matotra ary vonona tanteraka hanao izay rehetra sitrak’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manao veloma anareo i Epafra, ilay avy aminareo sady mpanompon’i Kristy* Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo, mba hijoro amin’ny fahafenoana ianareo sady hahatanteraka izay rehetra sitrapon’Andriamanitra.
malagasy
Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. [ Na: ho tanteraka]