Daniel 1:2 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny Tompo nanolotra an’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny fanaka sasany tao amin’ny tranon’Andriamanitra ho eo an-tanany. Dia noentiny ho any amin’ny tany Sinara, ho ao amin’ny tranon’ireo andriamaniny ireo; ary ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ny trano fitahirizana an’ireo andriamaniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an- tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an- tempoli n’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Tompo nanolotra an'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin'ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon'andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin'ny trano firaketan'andriamaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny Tompo nanolotra an’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, mbamin’ny fanaka sasany tao amin’ny tranon’Andriamanitra ho eo an-tanany. Dia noentiny ho any amin’ny tany Sinara, ho ao amin’ny tranon’ireo andriamaniny ireo; ary ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ny trano fitahirizana an’ireo andriamaniny.
malagasy