Daniel 1:20 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny amin’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ny mpanjaka azy dia hitany fa nanan-tombo avo folo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay tao amin’ny fanjakany rehetra aza izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fony nanontany azy zavatra isan-karazany momba ny fahendrena sy fahaiza-manavaka kosa ny mpanjaka, dia nahatsapa fa nihoatra impolo heny noho ny mpanao majika aman-tsikidy rehetra tao amin’ny fanjakany manontolo ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny amin’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ny mpanjaka azy dia hitany fa nanan-tombo avo folo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay tao amin’ny fanjakany rehetra aza izy ireo.
malagasy
Ary ny amin'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy.Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy mpanjaka.