Daniel 1:4 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia zatovo izay tsy nanan-kilema fa tsara tarehy sady mendrika amin’ny fahendrena rehetra no manam-pahalalana ary mazava saina ka sahaza hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka; nasainy nampianarina ny soratra sy ny tenin’ny Kaldeana ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ireo tovolahy ireo tsy tokony hisy kilema ara-batana fa ho tsara tarehy sady ho feno fahendrena sy manam-pahalalana ary lalim-pahaizana, ka ho afaka hanompo ao an-dapan’ny mpanjaka. Hampianarina ny soratra sy ny fiteny babilônianina izy ireo.
Malagasy Bible 1865
dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia zatovo izay tsy nanan-kilema fa tsara tarehy sady mendrika amin’ny fahendrena rehetra no manam-pahalalana ary mazava saina ka sahaza hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka; nasainy nampianarina ny soratra sy ny tenin’ny Kaldeana ireo.
malagasy