Daniel 10:1 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, dia nisy teny nambara tamin’i Daniela, izay antsoina hoe Beltesazara. Marina ny teny, ady mafy no nolazainy. Ary nahazo ny teny izy sady nahafantatra ny hevitry ny fahitana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kirôsa mpanjakan’i Persia, dia nisy hafatra nambara tamin’i Daniela izay nantsoina koa hoe Beltesatsara. Izany hafatra izany dia azo antoka sady nilaza fa hisy fisedrana goavana. Nodinihin’i Daniela izany hafatra izany; ary tamin’ny alalan’ny fahitana no nahafantarany ny heviny.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia nisy nambara tamin'i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, dia nisy teny nambara tamin’i Daniela, izay antsoina hoe Beltesazara. Marina ny teny, ady mafy no nolazainy. Ary nahazo ny teny izy sady nahafantatra ny hevitry ny fahitana.
malagasy
[Toky ho an'ny olon'Andriamanitra fa tsy ho resin'ny fahavalony izy] Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia nisy nambara tamin'i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.