Daniel 10:20 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny niaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin’ny andrianan’i Persia aho, ary rehefa miainga aho dia indro ho avy ny andrianan’i Gresy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy indray izy hoe: ‹Moa fantatrao ve ny antony nahatongavako atỳ aminao? Ny hanambara aminao izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahamarinana. Fa ankehitriny hiverina hiady amin’ny anjely mpiaro an’i Persia aho; ary iny aho hanainga iny, dia indro avy ny anjely mpiaro an’i Gresy. Nefa tsy misy manampy ahy hanohitra azy anankiroa afa-tsy i Mikaela anjely mpiaro anareo.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin'ny andrianan'i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan'i Grisia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny niaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin’ny andrianan’i Persia aho, ary rehefa miainga aho dia indro ho avy ny andrianan’i Gresy.
malagasy
Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin'ny andrianan'i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan'i Grisia.Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin'ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.