Daniel 11:10 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila marobe; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana sy hanafotra; rehefa afaka izany dia hiverina izy ary hanihiny hatrany amin’ny fiarovany mafy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Fa hioman-kanafika kosa ireo zanaky ny mpanjaka ao avaratra ka hanangona miaramila marobe. Dia hiroso ny iray amin’ireo ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky; saingy nony hiverina izy, dia hananika tanànamimanda iray.
Malagasy Bible 1865
Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila marobe; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana sy hanafotra; rehefa afaka izany dia hiverina izy ary hanihiny hatrany amin’ny fiarovany mafy.
malagasy