Daniel 11:2 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ankehitriny dia haharihariko aminao ny marina. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra dia hanankarena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery noho ny harenany izy dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan’i Gresy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ankehitriny haharihariko aminao ny marina. Indro mbola hisy mpanjaka telo hifandimby hanjaka amin’i Persia; avy eo dia hisy iray fahefatra hangoron-karena be noho ireo talohany. Ary rehefa matanjaka tokoa izy noho ny hareny, dia hampirohotra ny hery rehetra ananany hamely ny fanjakana grika.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan'i Grisia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ankehitriny dia haharihariko aminao ny marina. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra dia hanankarena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery noho ny harenany izy dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan’i Gresy.
malagasy
[Faminaniana koa ny amin'ny zavatra mbola hiseho] Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan'i Grisia.