Daniel 11:24 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hiditra tsy ampoizina amin’ny fari-piadidiana mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon’ny rainy na ny razany; hozarainy amin’ny azy ny remby sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina hamelezana ny manda fiarovana mandritra ny fotoana voafetra izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
An-tsokosoko no hidirany ao amin’ireo toerana mahavokatra indrindra ao amin’ny faritany ka hanaovany zavatra tsy mbola nataon’ny rainy na ny razany: hozarainy amin’ireo mpomba azy ny babo sy ny harena voababony tao. Hanao teti-dratsy koa izy hamelezana tanànamimanda. Kanefa fotoana fohy ihany no haharetan’izany.
Malagasy Bible 1865
Hiditra tsy ampoizina amin'ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon'ny rainy na ny razany; hahahany eny amin'ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin'ny fotoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hiditra tsy ampoizina amin’ny fari-piadidiana mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon’ny rainy na ny razany; hozarainy amin’ny azy ny remby sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina hamelezana ny manda fiarovana mandritra ny fotoana voafetra izy.
malagasy