Daniel 11:39 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miaraka amin’ny andriamanitra hafa izy no hamely ny manda fiarovana mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra sady hataony mpanapaka ny maro ka hozarainy aminy ny tany ho valisoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hamely ny tanànamimanda izy ombàn’io andriamanitra vahiny io; ary izay manaiky io andriamanitra io dia hampitomboiny voninahitra ka hampanapahany ny maro, sady hizaràny tany ho valisoany.
Malagasy Bible 1865
Dia homban'ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miaraka amin’ny andriamanitra hafa izy no hamely ny manda fiarovana mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra sady hataony mpanapaka ny maro ka hozarainy aminy ny tany ho valisoa.
malagasy