Daniel 11:4 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa mitsangana izy dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin’ny rivotra efatry ny lanitra; nefa tsy ho an’ny taranany ny fanjakany, na araka ny fahefany izay nitondrany, fa hongotana io ka ho an’ny hafa, fa tsy ho an’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy rehefa tafajoro tsara izy, dia hopotehina ny fanjakany ka hozaraina efatra araka ny vazan-tany efatra, fa tsy hodimbiasan’ny taranany; hongotana ka ho lasan’olon-kafa ny fahefà-manjaka, nefa tsy hanan-kery tahaka ny fanapahan’ilay mpanjaka maherifo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin'ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an'ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa mitsangana izy dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin’ny rivotra efatry ny lanitra; nefa tsy ho an’ny taranany ny fanjakany, na araka ny fahefany izay nitondrany, fa hongotana io ka ho an’ny hafa, fa tsy ho an’ireo.
malagasy