Daniel 11:5 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hahery ny mpanjakan’ny atsimo. Nefa ny iray amin’ny olo-manankaja eo aminy dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fahefana lehibe ny fahefany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ary hahery ilay mpanjaka ao atsimo; kanefa ny iray amin’ireo filohan-tafiny dia hahery kokoa noho izy ka hanapaka, ary hanana fanapahana mitatra kokoa noho ny azy aza.
Malagasy Bible 1865
Ary hahery ny mpanjakan'ny atsimo; nefa ny anankiray amin'ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hahery ny mpanjakan’ny atsimo. Nefa ny iray amin’ny olo-manankaja eo aminy dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fahefana lehibe ny fahefany.
malagasy