Daniel 12:7 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay lehilahy mitafy lamba rongony, izay teo ambonin’ny rano amin’ny ony, dia nanandratra ny tanany havanana sy ny tanany havia ho amin’ny lanitra ka reko nianiana tamin’Izay velona mandrakizay izy, fa ho fetrandro iray sy fetrandro roa ary antsasaky ny fetrandro no sisa; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olona masina dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ilay lehilahy nitafy rongony fotsy teo ambonin’ny ranon’ny ony nanangana ny tanany ankavanana sy ankavia ho amin’ny lanitra ka reko niteny hoe: ‹Amin’Ilay Andriamanitra velona mandrakizay no ianianako fa telo taona sy tapany no haharetan’ireo zavatra ireo; ary hifarana ireo rehefa ho montsana tanteraka ny herin’ilay vahoakan’Andriamanitra.›
Malagasy Bible 1865
Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin'ny lanitra ka reko nianiana tamin'Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay lehilahy mitafy lamba rongony, izay teo ambonin’ny rano amin’ny ony, dia nanandratra ny tanany havanana sy ny tanany havia ho amin’ny lanitra ka reko nianiana tamin’Izay velona mandrakizay izy, fa ho fetrandro iray sy fetrandro roa ary antsasaky ny fetrandro no sisa; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olona masina dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
malagasy