Daniel 2:35 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niara-torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra; ary nopaohin’ny rivotra izy ka tsy nisy tany hitoerany; ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary torotoro avy hatrany koa ny vy sy tanimanga mbamin’ny halimo sy volafotsy ary volamena, ka tonga toy ny akofa eny am-pamoloana fahavaratra; dia nopaohin’ny rivotra ireo, ka tsy hita intsony izay nitoerany. Ary ilay vato izay namely ny sarivongana dia tonga tendrombohitra lehibe ka nameno ny tany manontolo.
Malagasy Bible 1865
Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niara-torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra; ary nopaohin’ny rivotra izy ka tsy nisy tany hitoerany; ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.
malagasy
Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.[Na: torotoro tamin'ny indray mamely monja]