Daniel 2:45 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahina tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin’Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ny zavatra ho avy rahatrizay. Marina ny nofy, ary azo antoka ny fanazavana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no ambaran’ilay vato izay hitanao niendaka tamina tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana, ka nanapotika ny vy sy halimo mbamin’ny tanimanga sy volafotsy ary volamena. Nampahafantarin’Andriamanitra lehibe anao, ry mpanjaka ô, izay hiseho amin’ny hoavy. Tena marina ny nofinao ary azo antoka ny heviny.»
Malagasy Bible 1865
Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin'ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin'Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin'ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahina tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin’Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ny zavatra ho avy rahatrizay. Marina ny nofy, ary azo antoka ny fanazavana azy.
malagasy