Daniel 3:1 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao sariolona volamena i Nebokadnezara mpanjaka, enimpolo hakiho ny haavony, ary enina hakiho ny sakany. Natsangany teo amin’ny tany lemaka Dora tamin’ny faritanin’i Babilona ilay izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary Nebokadnetsara mpanjaka nampanao sarivongan’olona volamena; telopolo metatra ny haavony ary telo metatra ny sakany. Ka nasainy natsangana teo amin’ny tany lemaka Dorà, tao amin’ny faritanin’i Babilôna, izany.
Malagasy Bible 1865
Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin'ny tany lemaka Dora tamin'ny fehin'i Babylona izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao sariolona volamena i Nebokadnezara mpanjaka, enimpolo hakiho* ny haavony, ary enina hakiho ny sakany. Natsangany teo amin’ny tany lemaka Dora tamin’ny faritanin’i Babilona ilay izy.
malagasy
[Ny nanipazana an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra] Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin'ny tany lemaka Dora tamin'ny fehin'i Babylona izany.