Daniel 3:15 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny, vonona va ianareo hiankohoka sy hivavaka amin’ny sariolona izay nataoko rehefa mandre ny fanenon’ny anjomara, ny harpa, ny valiha, ny anjombona, ny sodina, ny lokanga ary ny zavamaneno isan-karazany? Fa raha tsy mety mivavaka mantsy ianareo dia hatsipy avy hatrany ho ao anatin’ny lafaoro mirehitra afo; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako izany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny, mivonòna ianareo, fa amin’ny fotoana izay handrenesanareo ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamin’ny valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia hiankohoka sy hivavaka amin’ny sarivongana izay nataoko ianareo; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay; ary iza no andriamanitra hahafaka anareo amin’ny fahefàko?
Malagasy Bible 1865
Ankehitriny raha miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny, vonona va ianareo hiankohoka sy hivavaka amin’ny sariolona izay nataoko rehefa mandre ny fanenon’ny anjomara, ny harpa, ny valiha, ny anjombona, ny sodina, ny lokanga ary ny zavamaneno isan-karazany? Fa raha tsy mety mivavaka mantsy ianareo dia hatsipy avy hatrany ho ao anatin’ny lafaoro mirehitra afo; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako izany?
malagasy