Daniel 3:26 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanatona ny varavaran’ny lafaoro nisy afo mirehitra i Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka ary Abed-Nego, mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra! Mivoaha tao ianareo ka avia atỳ! Dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanatona ny varavaran’ny lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnetsara ka niantso hoe: –Ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra ô, mivoaha tao ianareo ka avia atỳ! Niaraka tamin’izay dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao.
Malagasy Bible 1865
Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanatona ny varavaran’ny lafaoro nisy afo mirehitra i Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka ary Abed-Nego, mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra! Mivoaha tao ianareo ka avia atỳ! Dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego.
malagasy