Daniel 3:30 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego kosa dia nomen’ny mpanjaka toerana ambony tao amin’ny faritanin’i Babilona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nasandratry ny mpanjaka i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ho amin’ny toerana ambony noho ny teo aloha tao amin’ny faritanin’i Babilôna.
Malagasy Bible 1865
Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny. Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin'ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo. Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko. Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego kosa dia nomen’ny mpanjaka toerana ambony tao amin’ny faritanin’i Babilona.
malagasy
Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.