Daniel 3:7 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa tamin’ny fotoana nandrenesan’ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon’ny anjomara, ny sodina, ny lokanga, ny harpa, ny valiha ary ny zavamaneno isan-karazany dia niankohoka sy nivavaka tamin’ilay sariolona volamena izay natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tamin’ny fotoana izay nandrenesana ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin’ny sarivongana volamena izay efa natsangan’i Nebokadnetsara mpanjaka ireo vahoaka avy amin’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra.
Malagasy Bible 1865
Koa tamin'ny fotoana nandrenesan'ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa tamin’ny fotoana nandrenesan’ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon’ny anjomara, ny sodina, ny lokanga, ny harpa, ny valiha ary ny zavamaneno isan-karazany dia niankohoka sy nivavaka tamin’ilay sariolona volamena izay natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra.
malagasy