Daniel 4:16 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandritra ny fotoana fohy dia nitolagaga i Daniela, izay antsoina hoe Beltesazara, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny. Ary niteny indray ny mpanjaka hoe: Ry Beltesazara ô! Aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Hoy ny navalin’i Beltesazara: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an’izay mankahala anao, ary ny heviny ho an’izay fahavalonao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia talanjona fotoana fohy i Daniela izay antsoina hoe Beltesatsara, ary nampitebiteby azy mafy ny eritreriny. Ka hoy ny mpanjaka taminy: –Ry Beltesatsara, aoka tsy hampitebiteby anao ny nofy sy ny heviny. Fa namaly i Beltesatsara ka nanao hoe: –Ry andriamanjaka ô, enga anie ny nofy sy ny heviny ka ho an’ny mpankahala anao mbamin’ny fahavalonao!
Malagasy Bible 1865
Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an'izay mankahala anao, ary ny heviny ho an'izay fahavalonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandritra ny fotoana fohy dia nitolagaga i Daniela, izay antsoina hoe Beltesazara, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny. Ary niteny indray ny mpanjaka hoe: Ry Beltesazara ô! Aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Hoy ny navalin’i Beltesazara: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an’izay mankahala anao, ary ny heviny ho an’izay fahavalonao.
malagasy