Daniel 4:20 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitan’ny mpanjaka ny mpiambina masina iray nidina avy tany an-danitra nilaza hoe: Kapao io hazo io ary simbao; nefa avelao amin’ny tany ao amin’ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan’ny andon’ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin’ny bibidia, ambara-pahalanin’ny fetrandro fito aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo ianao, ry mpanjaka, dia nahita anjely fatra-piahy nidina avy tany an-danitra sady nandidy hoe: «Kapao io hazo io ka simbao! Kanefa avelao ao amin’ny tany, eo anivon’ny ahi-maitso any an-tsaha, ny fotony sy ny fakany, ka hodidino fehy vy sy halimo. Ary aoka ho kotsan’ny ando io foto-kazo io ary aoka hiombona anjara amin’ny biby eny an-tsaha izy mandritra ny fito taona.
Malagasy Bible 1865
Ary ny nahitan'ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin'ny bibi-dia, ambara-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitan’ny mpanjaka ny mpiambina masina iray nidina avy tany an-danitra nilaza hoe: Kapao io hazo io ary simbao; nefa avelao amin’ny tany ao amin’ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan’ny andon’ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin’ny bibidia, ambara-pahalanin’ny fetrandro fito aminy.
malagasy