Daniel 4:31 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tapitra ny fe-potoana, izaho Nebokadnezara dia nampiandrandra ny masoko tamin’ny lanitra ka nody tamiko indray ny saiko ary nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Ilay velona mandrakizay. Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany dia hahatratra ny taranaka fara aman-dimby,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tapitra ny fetr’andro, izaho Nebokadnetsara dia niandrandra ny lanitra; ka nody tamiko indray ny saiko. Nisaotra ny Avo Indrindra Izay velona mandrakizay aho, ary nidera sy nankalaza Azy fa ny fanapahany dia maharitra mandrakizay ary ny fanjakany dia mihatra amin’ny taranaka mifandimby.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin'ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tapitra ny fe-potoana, izaho Nebokadnezara dia nampiandrandra ny masoko tamin’ny lanitra ka nody tamiko indray ny saiko ary nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Ilay velona mandrakizay. Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany dia hahatratra ny taranaka fara aman-dimby,
malagasy