Daniel 4:33 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izay dia nody tamiko ny saiko ary nody tamiko koa ny lazako sy ny fahalehibiazako ho voninahitry ny fanjakako. Ny mpanolotsaina sy ny olo-manankaja eto amiko dia nitady ahy, koa nampitoerina teo amin’ny fanjakako aho, ary vao mainka niampy ny fahalehibiazako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay fotoana izay dia nody tamiko tokoa ny saiko; ary mba ho voninahitry ny fanjakako, dia naverina tamiko ihany koa ny fiandrianako amam-pamirapiratako. Nitady ahy ireo mpanolotsaiko sy ireo olo-manan-kajako; ary naverina teo amin’ny fahefàm-panjakako aho, ka haja mihoa-pampana no natolotra ahy.
Malagasy Bible 1865
Tamin'izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan'ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin'ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izay dia nody tamiko ny saiko ary nody tamiko koa ny lazako sy ny fahalehibiazako ho voninahitry ny fanjakako. Ny mpanolotsaina sy ny olo-manankaja eto amiko dia nitady ahy, koa nampitoerina teo amin’ny fanjakako aho, ary vao mainka niampy ny fahalehibiazako.
malagasy
Tamin'izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan'ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin'ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.