Daniel 5:13 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela. Ary niteny tamin’i Daniela ny mpanjaka hoe: Ianao va no Daniela, ilay isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda, izay noentin’ny mpanjaka raiko avy tany Joda?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia nentina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela, ka nitenenany hoe: –Ianao ve no Daniela, isan’ny Jiosy babo izay nentin’ny mpanjaka raiko avy any Joda?
Malagasy Bible 1865
Dia nampidirina teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, izay nentin'ny mpanjaka raiko avy tany Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela. Ary niteny tamin’i Daniela ny mpanjaka hoe: Ianao va no Daniela, ilay isan’ny babo avy amin’ny taranak’i Joda, izay noentin’ny mpanjaka raiko avy tany Joda?
malagasy