Daniel 5:21 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noroahina niala tamin’ny zanak’olombelona izy, ny fony dia natao tahaka ny an’ny biby, ary tany amin’ny borikidia no fonenany; nampihinanina ahitra toy ny omby izy ary kotsan’ny andon’ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no mitondra ny fanjakan’ny olona ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noroahina hiala teo amin’ny olombelona izy, nanam-pironana tahaka ny an’ny biby, niara-nonina tamin’ny borikidia ary nihinana ahitra toy ny omby; sady kotsan’ny ando ny tenany, ambara-piekeny fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ary manendry izay tiany hanjaka aminy.
Malagasy Bible 1865
dia noroahina niala tamin'ny zanak'olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an'ny biby, ary ny fonenany tany amin'ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noroahina niala tamin’ny zanak’olombelona izy, ny fony dia natao tahaka ny an’ny biby, ary tany amin’ny borikidia no fonenany; nampihinanina ahitra toy ny omby izy ary kotsan’ny andon’ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no mitondra ny fanjakan’ny olona ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
malagasy