Daniel 5:23 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niavonavona tamin’ny Tompon’ny lanitra ianao; noentina teto anatrehanao ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ka nisotro divay taminy ianao sy ny mpanolotsainanao, ny vadinao mbamin’ny vady tsindranonao; ary ianao dia nankalaza ny andriamanitra volafotsy, volamena, varahina, vy, hazo ary vato, izay tsy mahita na mandre na mahalala. Fa Andriamanitra izay mitana ny fofonainao sady Tompon’ny alehanao rehetra kosa tsy mba nankalazainao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nihantsy ny Tompon’ny lanitra ianao, raha nampaka ny tsatokaty voababo tao an-tempoliny ho eo anatrehanao; ka ny tenanao sy ny olo-manan-kajanao ary ireo vadinao mbamin’ny vaditsindranonao no nisotro divay taminy. Nankalazainao ireo andriamanitra volafotsy sy volamena, halimo sy vy ary vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mahalala akory, fa ilay Andriamanitra Izay mihazona ny ainao sy miahy ny lalanao rehetra kosa tsy mba nomenao voninahitra.
Malagasy Bible 1865
fa niavonavona tamin'ny Tompon'ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin'ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon'ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niavonavona tamin’ny Tompon’ny lanitra ianao; noentina teto anatrehanao ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ka nisotro divay taminy ianao sy ny mpanolotsainanao, ny vadinao mbamin’ny vady tsindranonao; ary ianao dia nankalaza ny andriamanitra volafotsy, volamena, varahina, vy, hazo ary vato, izay tsy mahita na mandre na mahalala. Fa Andriamanitra izay mitana ny fofonainao sady Tompon’ny alehanao rehetra kosa tsy mba nankalazainao.
malagasy