Daniel 5:3 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentiny ny fanaka volamena, ilay nalaina avy teo amin’ny tempolin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolotsainany, ny vadiny mbamin’ny vady tsindranony dia nisotro taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nentina ireo tsatokaty volamena izay nalaina tao an-tempolin’i Jerosalema, izany hoe tao an-tranon’Andriamanitra; ka ireo fitaovana ireo no nisotroan’ny mpanjaka sy ny olona rehetra nasainy.
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin'ny tempolin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony nisotro taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentiny ny fanaka volamena, ilay nalaina avy teo amin’ny tempolin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolotsainany, ny vadiny mbamin’ny vady tsindranony dia nisotro taminy.
malagasy