Daniel 6:11 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony fantatr’i Daniela fa voaisy sonia ny didy dia nankao an-tranony izy; ary nivoha ny varavarankelin’ny tranony ambony rihana nanandrify an’i Jerosalema. Intelo isanandro no nandohalehany ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny, satria efa fanaony hatramin’ny taloha izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony fantatr’i Daniela fa nosoniavin’ny mpanjaka ny didy, dia nody tany an-tranony izy; ary novohany ny varavarankeliny tany ambony rihana nanandrify an’i Jerosalema. Intelo isan’andro izy no nandohalika nivavaka sy nidera an’ilay Andriamaniny satria efa fanaony hatry ny taloha izany.
Malagasy Bible 1865
Nony fantatr'i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify an'i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony fantatr’i Daniela fa voaisy sonia ny didy dia nankao an-tranony izy; ary nivoha ny varavarankelin’ny tranony ambony rihana nanandrify an’i Jerosalema. Intelo isanandro no nandohalehany ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny, satria efa fanaony hatramin’ny taloha izany.
malagasy