Daniel 6:25 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namoaka didy ny mpanjaka ka noentina ireo lehilahy niampanga an’i Daniela ireo dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin’ny vady aman-janany; nandrombaka azy ireo ny liona ka nanapatapaka ny taolany raha tsy mbola nipaka tamin’ny fanambanin’ny lavaka akory aza izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanome baiko ny mpanjaka mba halaina ireo lehilahy izay niampanga an’i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona izy mbamin’ny vady aman-janany. Fa raha tsy mbola nipaka tamin’ny vody lavaka akory izy mianakavy, dia nifandrombahan’ny liona ka nopotipotehiny ny taolany rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namoaka didy ny mpanjaka ka noentina ireo lehilahy niampanga an’i Daniela ireo dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin’ny vady aman-janany; nandrombaka azy ireo ny liona ka nanapatapaka ny taolany raha tsy mbola nipaka tamin’ny fanambanin’ny lavaka akory aza izy ireo.
malagasy
Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy.[Ar. nihinana ny nofony]