Daniel 7:1 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara, mpanjakan’i Babilona dia nanonofy i Daniela sady nahita fahitana tao am-pandrianany. Nosoratany ny nofy ka nambarany ny fotopototr’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsatsara tao Babilôna dia nanonofy i Daniela ary nahazo fahitana teo am-pandriany. Nosoratany ny nofy ary notantarainy araka izao manaraka izao:
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara, mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara, mpanjakan’i Babilona dia nanonofy i Daniela sady nahita fahitana tao am-pandrianany. Nosoratany ny nofy ka nambarany ny fotopototr’izany.
malagasy
[] Fahitana niseho tamin'i Daniela ny amin'ny fanjakana efatra lehibe, sy ny hitsaran'Andriamanitra ireo.Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara, mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.[Ar. fahitan'ny lohany]