Daniel 7:11 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mbola nijery ihany aho noho ny feon’ny teny feno avonavona notenenin’ilay tandroka; raha mbola nijery aho dia novonoina ilay biby ka nolevonina ny tenany ary natao tao amin’ny afo mirehitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Tamin’izay dia mbola nijery ihany aho noho ny fireondreon’ny teny avonavona mihoa-pampana navoakan’ilay tandroka kely; nefa raha mbola nijery aho, dia novonoina ho faty ilay biby fahefatra ka ny tenany dia natsipy sy nolevonina tao anaty afo mahamay aoka izany.
Malagasy Bible 1865
Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mbola nijery ihany aho noho ny feon’ny teny feno avonavona notenenin’ilay tandroka; raha mbola nijery aho dia novonoina ilay biby ka nolevonina ny tenany ary natao tao amin’ny afo mirehitra.
malagasy