Daniel 7:14 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nomena fahefana sy voninahitra ary fanjakana Izy mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra Azy. Ny fahefany dia fahefana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany dia tsy ho rava.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nomena azy ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy ny foko sy firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra. Ny fanapahany dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-petra, ary ny fanjakany tsy ho rava na oviana na oviana.
Malagasy Bible 1865
Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nomena fahefana sy voninahitra ary fanjakana Izy mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra Azy. Ny fahefany dia fahefana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany dia tsy ho rava.
malagasy