Daniel 7:27 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fanjakana sy ny fahefana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ny Avo Indrindra. Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny manamboninahitra rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fahefà-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana rehetra eny ambanin’ny lanitra dia homena ny vahoakan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefà-manjakan’io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fanjakana sy ny fahefana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ny Avo Indrindra. Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny manamboninahitra rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
malagasy
Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.Hatramin'izao no faran'izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.